Tafiditra ao anatin’ny sehatrasa sy vina tanterahin’ny Vondron’ny mpiangaly Tantara (V.M.T) ny hampiakatra hatrany ny lentan’ny tontolon’ny tantara fandefa amin’ny Radio na ny tantara an’onjampeo. Ho fiatrehana izany, hisy ny atrikasa fanoratana tantara fihaino hotanterahina ny alarobia 27 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Lycée JJ Rabearivelo Analakely.
Hitarika ity atrikasa ity Andrianasolo Hajaina Naomy, filohan’ny Havàtsa-Upem, mpanoratra, mpanabe, nandalina ny taranja malagasy… Lohahevitra hovelabelariny: Ny paika sy haifanoratana tantara an’onjampeo na « Théâtre radiophonique ». Teny filamatra sady hoenti-manentana ny rehetra kosa ny « Ndao hiatrikasa, hanatsarana ny lentan’ny tantara an’onjampeo ».
Marihina fa ahitana rohy lehibe mampifamatotra ny tontolon’ny tantara fihaino na ny tantara an’onjampeo: mpanoratra, mpandrindra, mpanatontosa, teknisianina, mpilalao. Ny iray amin’ireo no ahitana na ahenoina lesoka. Ny tantara iray manontolo no tsy tafapaka any amin’ny mpihaino. Tao anatin’ny 15 taona. Anisan’ny mahasarika sy misarika mpihaino maro ny fisian’ny fandaharana « Tantara » ao amin’ny Radio.
HaRy Razafindrakoto




