Malagasy mpianatra any France : Mangataka ivontoerana ara-kolontsaina

Hanabevoho ny teny sy ny kolontsaina malagasy, na lavitra ny tanindrazana aza. Izay no anisan’ny tanjon’ireo mpianatra teratany malagasy any France, izay nampitain’izy ireo nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mandrindrarivony Ogascar, omaly. Tao amin’ny Foyer universitaire malagasy na Fum ao Paris no natao ny fihaonana, izay nifanakalozan-kevitra maro. Ho fanatanterahana izany, nangataka tamin’ny minisitra ny hananganana ivontoerana ara-kolontsaina malagasy any France izy ireo. Hamelomaso ny fianarana teny malagasy ka tsy hahavery izany na lavitry ny tanindrazana aza, no andraikitra voalohan’ny ivontoerana. Miara-dalana amin’izay ny fampianarana ny teny malagasy ho an’ny vahiny izay liana, na koa ireo Mala­gasy tsy nonina naharitra an-tanindrazana. Hianarana ireo fomba isam-paritra, hampahalalana ny vakoka, ny zavakanto, ny mozika ary izay endrika rehetra manandratra ny kolon­tsaina malagasy ihany koa izany.
Nihaino, nandray ary nampanantena fa hanisy tohiny ity fangatahana ity ny minisitra. “Ndao havaozina ny firenena. Ento ny anjara birikinareo, fa hifanome tanana isika”, hoy ny minisitra tamin’ireo mpianatra. Ho setrin’izany, naneho ny faniriany handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena ireto mpianatra mandranto fianarana any ivelany ireto.

Zo ny Aina

Partager sur: