Fampitiavana ny teny malagasy : Mbola olana ny fanapahan-kevitra politika

Andro vitsy sisa no isaina, Hiditra ao anatin’ny «Iray volan’ny teny malagasy», indray, i Madagasikara. Hetsika maro no efa fantatra fa hotanterahina. Hatramin’izao, tsy mbola hita mazava ny soa hoentin’io fankalazana io. Saika mitovitovy isan-taona, rahateo, ny zava-misy. Fampirantiana, antsa tononkalo, velakevitra, sns.
Iray amin’ireo mandesoka ny fitiavan’ny Malagasy ny teniny sy ny fivelaran’izany teny izany ny afitsoky ny tontolo politika. Fanapahan-kevitra politika ny: «ny teny malagasy no teny hoenti-manabe sy mampianatra ny zaza Ma­lagasy». Any amin’ny firenena ambara fa mandroso. Tsy mi­toetra ho olana intsony ny fiainana izany. Adidin’ireo mpitondra mifandimby isan’ambaratonga no mampita azy io.
Ho an’ny tany « an-dalam-pandrosoana sy ny andalam-pandrosoana », mbola be loatra ny fanampiana omen’ny firenena mandroso azy ireo, eo amin’ny tontolon’ny fampianarana, hany ka tsy maintsy manaraka ny baiko omen’ny mpamatsy vola. Ho an’i Ma­dagasikara manokana, ny tontolon’ny fampianarana no maro tetikasa indrindra. Saika iarahana amin’ny vahiny izy ireo…
… Ankoatra ny fanapahan-kevitra politika, mila fanarenana goavana ihany koa ny tontolon’ny fanabeazana eto Ma­dagasikara. Miainga any amin’ ny ankohonana, mandalo eny amin’ny fiarahamonina ary mipaka ao amin’ny firenena, miaina sy mampiasa ny teny malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: