Taolan-dava miisa 822 be izao no saron’ny polisim-pirenena tao amin’ny tanàna Mahatazana kaominina ambonivohitr’ Andilamena, ny alin’ny alatsinainy 18 mey hifoha talata teo. Tratra niaraka tamin’ny andian-jiolahy mpamaky fasana, telo lahy, izany. Raha ny angom-baovao, araka ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny komiseran’ny polisy ao an-toerana, misahana ny filaminana anatiny, Randria Albert. Efa ela no nahenoana ny fitarainan’ny rafi-piarahamonina fa mirongatra ny vaky fasana etsy sy eroa arahina fahaverezana taolam-balon’ireo razana, ao anatin’ny disitrikan’i Andilamena. Vokany, nametraka polisy manao fanamiana sivily ary nampikarama sivily hifanomen-tanana mba hametrahana fandriampahalemana ho an’ny fiarahamonina. Nahafantarana irika hiangana izany ary napetraka ny vela-pandrika ka nanirahana iraka hividy taolana tany amin’ireo jiolahy. Raikitra ny fifamarotana ary natao ny fotoana hifanankalozana sy hanolorana ny vola. Tao Mahatazana no fotoana ny alin’ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Efa vonona sy niandry teo ireo jiolahy miisa 7 lahy mirongo antsy sy fiandiana ary taolam-paty anaty gony. Vao nahatsikaritra anefa ireo jiolahy fa polisy ireto farany, tafaporitsaka avy hatrany ny efatra lahy raha voasambotra kosa ny telo tamin’izy ireo.
Sajo




