Manakara : Manakaiky ny mpandraharaha ny EDBM

Fanamby apetraky ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampandrosoana ny fampiasam-bola. Dingana lehibe hanakaikezana ny tolotra omeny ho an’ireo mpampisa vola sy ireo mpandraharaha ny fanokafana ny masoivohony ao Manakara. Tafiditra anatin’ny faha-20 taonan’ny EDBM izany. Nasongadin’ny solombavabahoaka voafidy tao an-toerana, nandritra ny lahateniny, ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina mba hamoronana asa ho an’ny tanora. Nilaza kosa ny tale jeneralin’ny Fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, i Disaine Lala, fa “antoky ny fampandrosoana ifotony ny fifanakalozan-kevitry ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina”. Ankilany, tombony ho an’ny faritra ny fananany ireo hery ara-toekarena eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ireo vokatra fanondrana, izay andry lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena isam-paritra. Manampy izany koa ny harena an-dranomasina sy ny fizahantany.
Ankoatra izay, manamafy ny fisiany eny ifotony hanohanana ny fandraharahana ny EDBM amin’ny alalan’ireo masoivohom-paritra. Nasongadin’ny tomponandraikitra ao an-toerana fa efa niasa nanomboka ny volana jolay 2025 ny vovonana orinasa napetraky ny EDBM.

Henintsoa

Partager sur: