Mbola vitsy ny mianatra zavakanto raha ny eto Madagasikara. Saika mionona hatreo amin’ny fananana talenta ny ankamaroany. Kanefa, « mahay » no ilazana azy ireny eny amin’ny fiarahamonina. Ilaina ny talenta. Samy manana azy io, rahateo, ny olona tsirairay… Saingy, tsy ampy io.
Tsara ny manan-talenta amin’ny fihirana. Mety ho sempotra sy tsy mahatafavoaka feo, anefa, raha tsy mianatra ny paika hoentina mandanjalanja ny fampiasana ny rivotra. Misy ny « mahay » hosodoko, saingy, tojo fahasahiranana raha tsy nianatra momba ny fampifangaroana ny loko sy ny vokatra ho azo avy amin’izany.
… Mbola sarotra, anefa, ny mandresy lahatra ny Malagasy hianatra zavakanto. Anisan’ny nahatonga izany ny fanivaivana azy io : Tsy mahavelona, hoentina mamalifaly fotsiny, tsy mitondra mankaiza, natao ho an’ny olona lasa am-borona, sns.
Tsy mbola manana rafitra sy paika mazava ahafahan’ireo mampiasa ny talentany hivelatra rahateo i Madagasikara. Matahotra ny ho lany fotoana sy very vola aman-karena, fotsiny, ny ray aman-dreny ka aleony mijanona hatreo amin’ny fandokafana ny talentan-janany.
HaRy Razafindrakoto




