Alatsinain’ny Pantekoty: hipoka avokoa ireo toeram-pialamboly

Raha tarafina amin’ny isan’ny mpijery, fahombiazana avokoa ireo fampisehoana maromaro teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly. Singanina indrindra amin’izany ny « Mi’sôma total » tetsy amin’ny Coliseum. Goavana indrindra na tamin’ny toerana, ny isan’ny mpijery, fa indrindra ny isan’ny tarika nifandimby an-tsehatra. Nosafidian’ny mpi­karakara manokana ireo mpanakanto be mpankafy amin’izao fotoana izao. Ani­sany ry Johnito, Basta Lion, D Lain, César, Big MJ, Parish, Moopcan, Tanjona, Parish, sns.
Ankoatra ny teny Antson­jombe, nandray anjara tamin’ ny seho hafa, tamin’ny toeran-kafa ihany koa, ireo mpanakanto. Nisy ny tsy nahafehy ny fotoana, ka nahitana fahabangana maharitra ny sehatra, toy ny teny amin’ny Barea Mahamasina.
Somary nivoaka ny mahazatra rehefa alatsinain’ny Pantekoty kosa ny teny Analamanga Park, satria ry Tempo Gaigy sy ny Reko Band no nifandimby an-tsehatra.

Zo ny Aina

Partager sur: