Tsiakoraka: mbola am-pon’ny mpankafy, 40 taona aty aoriana

Io i Fidy, Guerd, Liva… Tarehy nanamarika izany Tsiakoraka izany hatramin’ny nanombohany. Fihaonana na­hafaly ireo efa zokinjokiny toa azy ireo, ny seho nataon’ny tarika, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny CCEsca Anta­nimena. Fotoana namerina indray ny taloha, tsy ireo hira ihany fa indrindra ireo fahatsiarovana nentiny. Notsaroana manokana ireo mpikambana tao amin’ny tarika, izay efa lasana. Ry Setra sy Doda, anisan’ny mpikambana nandrafitra ny tarika hatramin’izay. Teo koa ireo naman’ny tarika namorona hira nataon’ny Tsiakoraka.
Ho an’ireo mpijery nameno ny efitranon’ny CCEsca, ny hira iray nidika fahatsiarovana iray. Eo ireo nalaza hatramin’izay, toy ny « Te hahita anao », « Tamboho », « Namana », « Diaviko mafy », sns. Teo koa ireo tsy nataon’ny Tsiakoraka an-tsehatra efa ela, toy ny « Freedom », « Ilay ladina an-tany », sns. Saika niaraha-niredona avokoa izany, na dia tsikaritra aza fa tsy hoe indray nihira tamin’ny tarika avokoa izy ireo.
Fa anisan’ny fotoana nafana indrindra nandritra ny seho koa ny fiakaran’ny tarika Levelo. Vahinin’ny tarika ry zareo, nanao hira 10 teo ho eo, izay namerina ny mpijery tany amin’ny taona 1990 tany. Indray nihira tokoa ny tarika Tsiakoraka sy ny tarika Le­velo, ka antony nampifandray ny tadin-dokangan’ny rehetra.

Zo ny Aina

Partager sur: