Tsy ho ela, higadona ny 3 jona hanombohana ny fikaonandoham-pirenena. Andro isaina sisa… Nefa hatramin’izao, tsy mazava amin’ny ankamaroan’ny olom-pirenena izay tena hatao. Tenenina matetika, ohatra, ny hoe miainga any ifotony, ny Malagasy rehetra no hakan-kevitra, tsy misy hevitra avela… Amin’ny fomba ahoana? Mila fanazavana: iza avy, ohatra, no ho mpandray anjara, misy fetra, aiza no hanaovana azy, hafiriana ny faharetany, inona avy ny lohahevitra, ahoana ny dingana manaraka…? Zavontany ny fanontaniana. Ndrao tsy hifankahazoana ny resaka? Na izay natao handamina indray no hanakorontana, na izay ifampizarana indray no hifamaliana…
Zava-dehibe ny hoe fikaonandoham-pirenena. Antony sy antoky ny fanavaozana, indrindra izay ho fiainam-pirenena sy ny hoavin’ny taranaka. Hanao ahoana? Misy izao tsindrindaona be ihany: manantena sa manahy tena? Misy zavatra tsy mazava be ihany amin’ny olom-pirenena. Ao aza ny fiarahamonina sivily nanapa-kevitra hanara-maso ny fikaonandoham-pirenena. Misy ny fanahiana ambony ihany izay hatao noho ny tsy fisian’ny fanazavana hahazoana antoka izany? Aiza ho aiza ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga? Mba tsy hanaovana kitsapatsapa sy andranandrana ny raharaha. Zava-doza ny hoe eo am-pandrasana mahita ny atiny?
Hitsarana ny fanavaozana tian-katao ny raharaha? Izay tsara fiomanana, tsy tampohin’ny tsy fahombiazana. Iza no manao inona, aiza ary mankaiza, mitondra aiza…? Zava-dehibe! Ny tena ihany no antony. Izay atao amin’izao no itarafana ny fanavaozana? Tena atao fa tsy resaka fotsiny, tsy sarin’ady, tsy fombafomba… Mila mazava izay hatao. Na tena hatao izay lazaina, lazaina izay tena hatao… Tsy ifanakiviana fa ifampaherezana. Alao hery àry!
R. Nd.




