Andro vitsy sisa no isaina… Hankalaza ny « Fetin’ny Reny » ny Malagasy. Raha ilay anarany fotsiny no iaingana. Efa maneho sahady fa indrana ihany no ataon’ny Malagasy fa tsy tompony.
Ny alahady 31 mey izao no hankalaza ny « Fetin’ny Reny » ny Malagasy. Na, tsy manontolo aza. Tao anatin’ny taona maro, mitombo isa hatrany ny Malagasy manamarika io vanim-potoana io. Miarahaba ny reny. Manolotra fanomezana ho azy ireo, sns. Ny fampiasana ny teny « Fety », efa maneho sahady fa fomba sy fanao vahiny nampidirina teto Madagasikara ny fankalazana ny « Fetin’ny Reny ».
Ny an’ny Malagasy, nomeny hasina sy nohajainy fatratra isan’andro ny reny. Satria, fantany tsara fa izy no kitapo nifonosana, nitondra sivy volana an-kibo. Nitaiza sy nanabe ho olom-banona… Tsy nanaovany « fety » na notolorany fanomezana indray mandeha ao anatin’ny taona, fa nohajainy fatratra ka nataony ho tompon’ny tokantrano. Nampalaviriny ireo asa mafy sy mitaky herim-batana, tahaka ny fiasana tany, sns.
… Tsy misy firenena handroso amin’ny fomban’ny hafa. Na, heverina ho kely aza ny endriky ny tranga tahaka izao. Misy fiantraikany lehibe amin’ny fiainam-piarahamonina, satria, ny saina no iantefany mivantana. Tafiditra ao amin’ny Malagasy maro ilay fiheverana fa raha vao tsy mankalaza ny « Fetin’ny Reny » dia tahaka ny manao tsinontsinona sy manamaivana ilay kitapo nifonosana. Mila fanarenana sy fanitsiana haingana ny fahasimbana tahaka izany mba tsy hanao randra-mitarika any amin’ny taranaka Malagasy.
HaRy Razafindrakoto




