Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra amin’ny tantara an-tsehatra. Hihazo ny any Alaotra, Amparamanina Amparafaravola, ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, ny tarika Iray Fy’Art, taorian’ny seho an-tsehatra tany Mahajanga, ny herinandro teo. Hihaona mivantana sy hifanakaiky kokoa amin’ireo mpankafy sy ireo vahoaka any an-toerana izy ireo ny alahady 7 jona ho avy izao. Hotanterahina ao amin’ny Fiangonana katolika St Janvier Amparamanina izany ary hanomboka amin’ny 2 ora. « Hahita mivantana anay mpilalao tantara amin’ny onjampeo isika amin’ io fotoana io. Tantara maneho ny fiainana andavanandro no hoentinay eny an-tsehatra. Mampihomehy sy ahitana hatsikana nefa koa hampitana hafatra sy fanabeazana izany tantara izany », hoy ny lehiben’ny tarika, i Niravo. Anisan’ny ho tazana eny an-tsehatra, Rakoto, Faly, Synèse, miaraka amin’i Soafaniry sy i Niravo. Hisahana ny lafiny teknika sy ny fanentanana ary ny fandrindrana an-tsehatra, i Bruno Rakotomalala. Mikarakara izao seho izao kosa ny fikambanan’ny Trinite Masina sy ny voababo ao Amparamanina.
Hitohy eny Antsahamaina, Antanetibe Mahazaza, indray ny seho hataon’ny tarika ny 21 jona. Iarahana amin’ny Antilin’i Madagasikara (AIM) ao an-toerana. Aorian’izany ny fiarahana amin’ny vahoakan’ny kaominina Mandrosoa, any Andramasina, ny 26 jona izao. Tafiditra amin’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena izany seho an-tsehatra izany.
Tsiahivina fa feno hipoka ny tao amin’ny « Centre pastorale ex-Don Bosco », Mahajanga tamin’ny seho nataon’ny Iray Fy’Art, ny alahadin’ny Pantekoty teo.
Synèse R.




