« Rail 70 2.0 » : Hiverina an-tsehatra ny Ny Railovy

Rehefa ela niandrasana ny mpitia zavakanto, raikitra fa hisy ny fampisehoana an-tsehatra hiarahana amin’ny tarika Ny Railovy. Ahitana taratra ny «Rail 70 2.0» io seho hotanterahina eny amin’ny Amphi­théâtre CCI Ivato, ny 26 jolay izao io, raha ny fanazavan’i Hery Andriamahatana. «Taona 1956 no niorina ny tarika Ny Railovy. 70 taona izy izany. 2.0, midika ho fanarahana vanim-potoana toy ny teknolojia, sns», hoy izy raha nanazava ny «Rail 70 2.0».
Hotetezin’ny tarika Ny Railovy an-kira eny an-tsehatra io fotoana lava nisiany io. Ta­zana ao avokoa ireo andiany ni­fandimby. «Na nisy aza ireo nodimandry, tsy maintsy fenoina ny feo. Aza hadinoina fa ny fandrindrana sy ny fiarahana ary ny fifamenoin’ny feo ao amin’ny tarika no anisan’ny mampiavaka ny Ny Railovy hatrany am-piandohana ka hatramin’izao», hoy hatrany i Hery Andriamahatana.

HaRy
Razafindrakoto

Partager sur: