TARATRY ny KANTO

Hanao tohivakana ny seho iarahana amin’i Zook Davids. Fampisehoana rindran-kira evanjelika. Mahazo tombony amin’izany seho izany hatrany ny ankizy sy ny tanora. Anio, tontolo andro, any Ambatolampy, ao amin’ny FJKM Ankodondona Filadelfia. Ankoatra ny hira, hisy ny kilalao sahaza ny ankizy. Rahampitso amin’ny 2 ora tolakandro, sehon’i Zook Davids arahina afondasy sy « sky lenterne ». Ny alahady 31 mey amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny FJKM Ambohijafy Fanantenana.
Niova angaha ny hiragasy? Variana ny mpijery hiragasy tany amin’iny faritra afovoany andrefan’ Anta­nanarivo iny, ny Alatsinain’ny Pantekôty teo. Nanjary nahitana gadon-kira sy fandihy hafa mihitsy ao anatin’ny hiragasy. Ilay tarika nanao izany, anefa, efa tokony manana traikefa sy fahalalana lehibe, satria, efa zaza mandimby.

Partager sur: