Miesona tanteraka ny valalabemandry! Noheverina fa efa mifoha kay mora lalaovina sy ampatoriana am-pitsanganana. Nanomboka nampametra-panotaniana ny fihodin’ny fanaovana politika. Nilaza tsy ho mpanao majia indray ny sasany fa mampiandry lava! Ny lazaina fa mpanjanaka sy tsy namana indray izao no lazaina fa ho mpiray ra amin’ny tena. Tsy hay intsony izy ity fa tsy mbola tonga ny fanavaozana an’i Madagasikara izany aloha! Ny mpitondra no niova.
Tsy mahagaga intsony ny fiverenan’ny olon’ny volomboasary ao anatin’ny fitondrana rehetra, ankehitriny. Ny fifidianana farany tao Tsimbazaza, afakomaly alina, dia nanaporofo izany. Ny Irmar nivadibadika sy nahay milomano avokoa ny ankabeazan’ny solombavambahoaka nomena seza ho lehibem-baomiera. Mbola nisy aza ny namoronana seza, na tsy voafaritra anatin’ny sata sy fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena aza. Tsy olom-baovao anefa izy ireny fa misy efa minisitra TGV.
Tsy misy resabe, miverina amin’ny taniny ny jiosy, hoy ny oha-pitenenana. Na ny Filohan’ny Repoblika teo aloha aza izao efa mahoraka ny fanasana azy hody eto an-tanindrazana amin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Mifanindran-dalana amin’izay ny fivoizana ny vaovao mahakasika ny fangatahan-dRavatomanga Mamy mba haverina sy ho gadraina aty Madagasikara. Toa efa famantarana ny hoavy anatin’ny fiaraha-miainan’ny samy Malagasy izany.
Mahoraka rahateo tao anatin’ny herinandro vitsy ny fanendrena ireo ho mpikambana vaovao amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena iaraha-mitantana. Malaza eto an-tanàna fa mialoha ny 26 jona 2026 no ahaterahan’izany. Mifanindran-dalana rahateo amin’ny fanatanterahana na ny famaranana ny fikaonandoham-pirenena izany. Hivoaka amin’izay rahateo ny lalàna sy lalana hizoran’ilay firenena, indrindra ny famahana ny disadisa amin’ny endriny samihafa.
r.r




