Mois : mai 2026

Fitondran-tena mamoafady ataon’ny zandary: Handraisana fepetra hentitra

Misesisesy ny trangana fihetsika mamoafady ataon’­ ireo zandary, indrindra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, tato ho ato. Anisan’­ izany ny tranga fanolanana ankizivavy 17 taona iray, tany Marofinaritra Antalaha, ny volana avrily lasa teo. Voa­tazona nanaovana fanadihadiana noho ny fahaverezana basy izy ary niharan’ny fanararaotana ara-nofo nandritra izany. Mbola […]

Nanaparitaka vola sandoka: Lehilahy iray naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nahatraran’ny polisy vola sandoka tao Mananjary. Mody nividy entana teo amin’ny mpivarotra ao an-toerana io lehilahy io. Vola sandoka avokoa no nampiasainy. Tsy taitra ny mpivarotra saingy niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana hisambotra io olona nikasa hisoloky tamin’ny vola […]

Teo an-tokotanim-pasana: Lehilahy hita faty tapa-tanana tetsy Ivandry

Hita faty tao an-tokotanim-pasana, tao anaty kirihitra, ny lehilahy iray, tetsy anelanelan’Alarobia sy Ivandry, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Tsy hita nanomboka ny alakamisy 30 avrily teo izy. Tapaka ny tanany havia ary efa simba ny ilan-tanana havanan’ny lehilahy iray hita faty tao anaty kirihitra, tetsy anelanelan’­ Alarobia Amboniloha sy Ivandry, […]

Gymnastique Rythmique: Top 7 Rakotonirina Tiara, tany Afrika Atsimo

Niatrika voalohany ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Gymnastique Rythmique, ny atleta malagasy, Rakotonirina Tiara, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana izay notontosaina tany Afrika Atsimo. Tsara ny vokatra ho azy satria na vao sambany aza izy no nifaninana teo amin’ny sehatra afrikanina dia efa tafiditra sahady ao anatin’ny Top 7. […]