Fantatra fa ovaina ho bozaka “hybride” ilay natoraly nitsiry ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina hatramin’izay. Haharitra enim-bolana ny asa. Havaozina ny bozaka! Fantatra, afakomaly, fa hiroso amin’ny fanamboarana ny bozaky ny Kianja Barea Mahamasina ho lasa “hybride”, ny fanjakana. Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahina afakomaly. Ny minisiteran’ny […]
Mois : mai 2026
VAOVAO TAMBATRA
Tazomina ho 12% ny tahan’ny zanabola fototra (taux directeur), araka ny tapaky ny komity politika ara-bola eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tanjona ny hampihena ho 5% ny vidim-piainana manoloana ny zava-misy maneran-tany. Efa nihena ny vidim-piainana teto amintsika tamin’ny fiandohan’ny taona 2026, saingy niakatra ho 6,1% ny volana janoary […]
Minisiteran’ny Jono: Mizarazara ny hevitry ny mpiasa
Sekretera jeneraly tokana voatendry, tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, Ravelomanantsoa Be-Rija. Hisahana izany andraikitra izany eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Efa talem- paritra indroa miantaona, niandraikitra ity seha-pihariana ity izy. Niasa tany amin’ny faritra Analanjirofo, tamin’ny fotoam-pitondran’ny Filoha Rajaonarimampianina Hery. Mialoha ny fanendrena azy ho laharana faharoa, […]
Antenimierampirenena : Ho maro ny fanitsiana amin’ny tetibola-PLFR
Araka ny efa fantatra, mivory ara-potoana ny eny amin’ny Antenimierampirenena, amin’izao fotoana. Fotoana, voalohany, handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panovana (PLFR 2026). Hanitsiana sy handaniana ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna ary hanoloran’ny governemanta ny tatitra mahakasika ny fanatanterahana ny fandaharanasany ihany koa. Hitondran’ny minisitera tsirairay avy fanazavana amin’ireo fanontaniana hapetraky […]
Famokarana : Ambany ny fanarahantsika ny fenitry ny fanondrana
Sakana tsy hahafahana mivelatra sy manitatra ny tsenam-panondranana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsy fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana “Norme sanitaire et phytosanitaires” (SPS) eo amin’ny vokatra aondrana. Voakasika izany ny vokatry ny fambolena (lavanila, jirofo, cacao) sy an-dranomasina eto Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa natao teny amin’ny Sekoly ambony […]




