Mois : mai 2026

Tetikasa Miatrika: Hanampy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Tetikasa iray ahitana fandaharanasa 12, anisan’ny novolavo­lain’ny minisitera sy rafitra tomponandraikitra samihafa, toy ny mi­nisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Croix rouge Malagasy ny Miatri­ka. Drafitra nasionaly natao hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro. Ho hatsaraina sy hamafisina ireo fandraisan’andraikitra efa nisy niatrehina ny loza sy ny tandindon-doza hatramin’izay. Eo koa ny fampiharana […]

Rivodoza sy tondradrano : Hamafisina ny fiomanana mialoha ho an’ny faritra telo

Ho fiatrehana ny loza voajanahary, toy ny rivodoza sy tondradrano dia misy ny atrikasa ny irahan’ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka. Mifantoka amin’ny tetikasa tohanan’ny Vondrona eoropianina aty atsinanan’i Afrika sy ny ranomasimbe Indianina izany. Momba ny asa mialoha, miompana amin’ny fa­namafisana ny rafitra rehetra sy ny mpisehatra ao anatin’ny […]

Tranoben’ny IHF: Nanatrika ny fitokanana ny filohan’ny FMHB

Notokanana omaly, tany Bâle Suisse, ny foiben-toerana vaovaon’ny International Handball Federation. Trano maoderina ahitana rihana enina izy ity, izay hiasan’ny Federasionina iraisam-pirenena manomboka izao. Nahazo fanasana avy amin’ny Dr Hassan, filohan’ny IHB, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball, Ratsi­mandao Andriamanga, ka nanatrika izany tany an-toerana. Nambaran’ity mpitantana ny taranja handball eto […]