Mois : mai 2026

Nihinana paty : Mpianatra 13 tratry ny fahapoizinan-tsakafo

Mpianatra miisa 13 mianadahy niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo taorian’ny fihinanana «salade de patte» tao amin’ny toeram-pivarotana hani-masaka iray tao Ambohiman­damina. Kaominina Mahajanga, ny 2 mey lasa teo. Voatery nentin’ny namany nihazo ny hopitaly ireo tena voa mafy ta­min’io tranga io. Efa manaraka fitsaboana eo anivon’ny CHU Mahavoky Atsimo izy ireo. Araka […]

Taorian’ny fifamalian’ny mpivady : Lehilahy maty nianjera avy eny amin’ny rihana fahefatra

Lehilahy iray, 37 taona, maty nianjera avy eny amin’ny rihana fahefatra, tetsy Ankasina, omaly maraina. Nisy mangana ny tendany. Tsy fantatra mazava ny antony. Malaza ho mifamaly lava izy mivady. Atao famotorana eny amin’ny polisy ilay ramatoa. Vaky tanteraka ny lohan’ilay rangahy, noho ny hamafin’ny fianjera­na. Nandrika ny ra tetsy […]

Fandaharanasan’ny Fanavaozana: Hanara-maso ny fikaonandoha ny Sadc

Manaraka akaiky. Nam­ba­ran’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, fa anisan’ny hanamarika ity herinandro ity ny fahatongavan’ny iraky ny Sadc.  « Hijery ny fandrosoan’ny asa araka ny voafaritra ao amin’ny fandaharanasan’ny Fanavaozana izy ireo. Horesahina mandritra ny fihaonana koa ny momba ny tetibola hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena », hoy izy, tetsy […]

Disciples FC sy Fosa Juniors: Hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana

Raha tsy misy ny fiovana, ny Disciples FC Vakinankaratra, laharana voalohany, ao amin’ny Kaonferansy Atsimo, hifanandrina amin’ny Fosa Juniors FC Boeny, fahefatra ao Ava­ra­tra, eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (PFL). Ampahatsiahivina ihany fa hatao ny 17 mey ho avy izao ny fihaonana mandroso, ka […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, «XXL Top 12». Mbola nohamafisin’ny CEA Andranomanalina, afakomaly, ny maha mpanjakan’ny kartie azy, rehefa nandavo ny Mang’art Manjakaray, tamin’ny isa 52 no ho 33. Nandrombaka medaly alimo roa ny delegasiona malagasy […]