Mois : mai 2026

Makis Ladies: Hanala vela amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara

Hiatrika fifaninanam-pirenena indray ny Makis Ladies, amin’ity volana mey ity. Hanafika atsy Kenya, ka hiady ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “performance division”, ho an’ny rugby lalaovin’olona 15. Firenena efatra no hiady ho lohany amin’izany. Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika, sokajy «Perfor­mance division», vehivavy, ho an’ny taranja rugby […]

INDRAY MIJERY

Ho maina, amin’ny ankapobeny, ny habaka saika manerana ny Nosy, raha ny vina mandritra ny herinandro. Hahazo vahana anefa ny tsioka avy atsinanana ho an’ny tapany avaratra atsinanana sy ny ilany atsinanan’ny afovoantany, amin’ny faran’ny herinandro. Tsy hisy tranga mahery vaika mety hanakorontana ny toetry ny andro. Hisy orana avy […]

Antsirabe I sy II : Sekoly efatra nahazo fotodrafitrasa vaovao

Fotodrafitrasa vaovao efatra momba ny fanabeazana no notokanana tao Antsirabe I sy II, ny faran’ny volana lasa teo, ao anatin’ny tetikasa “Anjara”, tohanan’ny Vondro­na eoropeanina. Tanjona ny hampisitraka zo ireo zaza amin’ny fanatsarana ny fahazoana fanabeazana any an-dakilasy. EPP Tsivatri­ni­kamo, CEG Tsia­fahy, EPP Fiadana­na ary CEG Andrano­ma­­ne­latra no niantefan’ny tetikasa. […]

Fandaharanasa IVLP : Malagasy telo mianadahy sangany

Nahomby ny fandraisan’ireo Malagasy mpitarika anjara tamin’ny fandaharanasa fifanakalozana “International Visitor Leadership Program (IVLP)» natao tany Etazonia. Nandray ny taratasy manamarina izany izy ireo, ny herinandro teo. Nisitraka izany ny Dr Volatiana Andriananja, i Richard Andrianavalomahefa, ary i Tsitohaina Arthur Ralihivao, izay samy tafaverina eto an-toerana. Vonto traikefa sy vonona […]

CHUJRA : Misokatra andro aman’alina ny sampana fandidiana maika

Asa miankina aman’aina ny ao amin’ny sampandraharahan’ny fandidiana maika, ao amin’ny CHUJRA. Ireo tena mila izany noho ny loza mitranga no raisina an-tanana voalohany. Mampahafantatra izany fisokafana andro aman’alina izany ny lehi­ben’ny sampandraharaha mi­sahana ny fandidiana maika eo amin’ny hopitaly CHU JRA, ny profesora Rakotoarison Nicole. Varavarana voalohany handraisana ny […]