Mois : mai 2026

FANTINA sy FINTINA

Fototry ny fahombiazan’ny fizakan-tenan’ny faritra, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, ny fifampitokisana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo eny ifotony. « Ho fampandrosoana, amin’ny alalan’ny fitantanana ny harena isam-paritra izany. Hampihena ny fiankinandoha amin’ny fanjakana foibe », hoy izy. Nampahafantatra ny volavolan-dalana ho fiarovana ireo mpampaneno lakolosy ny […]

Vao tonga avy any an-dafy: Voasambotra i Naivo Raholdina

Vao nigadona teto an-tanindrazana, voasambotra avy hatrany i Naivo Raholdina, depiote voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy. Avy nitsabo tena tany ivelany, niatrika fandidina izy, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao. Baiko avy amin’ny fitsarana no nahafahana nisambotra azy tamin’ny afakomaly alina, teny Analamahitsy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Tsy voafaritra […]

Ady… hilaminana

  Hatramin’izao, tsy mbola mampitovy fijery ny hoe fanavaozana. Samy manao izay saim-pantany? Na sanatria fialana amin’izay nisy hatramin’izay… Eny, na izay mety sy mampandroso aza. Misy ohatra, mpitandro fiilaminana manova fotsiny izao ny lalàm-pifamoivoizana. Nony injay anontaniana, mamaly boribory hoe: fanavaozana izao. Mba marina? Fanovana izay tian’ny tena ve […]