Mois : mai 2026

Filoha Randrianirina Michaël : Nidoka ny vahoakan’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra

Nitokana zava-bita maromaro sy nampihanta ny vahoakan’i Faratsiho ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël mivady, ny faran’ny herinandro teo. Notsiahiviny tamin’izany ny hetsika ny vahoaka tany an-toerana. Nentaniny tamin’izany ny ao Faratsiho hanohy ny ady efa nataony fony fitondrana teo aloha. « Ampi­risihana isika mba hitazona ary hanamafy ny firaisankina […]

Tenisy ambony latabatra – « Mondial 2026 »: Nofaranan’i Meksika ny dian’ny Malagasy

Raraka… ! Tsy tafita tany amin’ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, ho an’ny lalao isan-tarika, izay tontosaina atsy Londres Ang­leterre, ny 28 avrily-10 mey, ny ekipa nasionaly malagasy. Nahazo faharesena fanindroany indray izy ireo rehefa lavon’i Meksika, tamin’ny isa 3 no ho 1, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ao amin’ny Emirates Stadium Londres Angleterre ny fihaonana eo amin’ny Arsenal sy ny Fulham. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre, “Premier League”. Mila mahita vokatra tsara amin’io ny Arsenal raha tian’izy ireo ny hitazona ny laharana voalohany. Manana isa 73 izy ireo, ary manaraka azy ny […]

Gymnastique – Afrika : Misolo tena ny Malagasy i Tiara

Tanterahina nanomboka ny 30 avrily teo, hitohy hatramin’ny 3 mey izao, any Pretoria Afrika Atsimo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Gymnastique rythmique. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena dia Rakotonirina Tiara. Hiara-dia aminy, amin’izany, ny mpanazatra azy Mr Tatiana. Tsiahivina fa i Tiara no hany Malagasy […]