Natolotra tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny vokatry ny fiofanana narahin’ ny mpampianatra sy mpianatra telo avy amin’ny fakiolten’ny Siansa tany Chine, momba ny vary safiotra. Nisongadina fa azo hampiharina eto Madagasikara ny famokarana vary safiotra ka ny vary ampiasaina isan’andro no ampivadiana amin’ny karazam-bary hafa, arakaraka ny vokatra […]
Mois : mai 2026
Fanatsarana ny fanabeazana : Tanterahina ny fakan-kevitra
Natao tamin’ity herinandro, eto Antananarivo, ity ny atrikasa fakan-kevitra ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Tanjona ny hanangona sy handravona fehin-kevitra ho fanatsarana ny rafi-pampianarana, hisian’ny fanavaozana eo amin’ity sehatra ity. Mandray anjara amin’izany ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana, miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo fiarahamonim-pirenena, ireo fikambanana samihafa, […]
Fikambanana ASOS: Nanao vaksiny miaro amin’ny Mpox
Tafiditra amin’ny Herinandro afrikanina ho an’ny fanaovam-baksiny ny hetsika nataon’ny mpanentana ara-pahasalamana ao amin’ny fikambanana ASOS. Nisitraka ny vaksiny miaro amin’ny tsimokaretina Mpox teny amin’ny sampandraharahan’ny distrikan’ny fahasalamam-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra, Isotry, tamin’ity herinandro ity, izy ireo. “Mpiara-miasa amin’ ny fikambanana ASOS ny mpanentana eny ifotony. Mila fiarovana izy ireo […]
« Tremplin Jazz 2025 » : Lasan’ny Malagasy Band
Tsy nisy ny « Madajazzcar 2025 », noho ny korontana teto amin’ny firenena. Tsy nanakana ny fifaninanana « Tremplin Jazz » kosa izany. Natao hitiliana, avy eo hanasongadinana sy hanomezana sehatra, ireo talenta vao eo amin’ny jazz malagasy izy ity. Rehefa avy nandalo dingana maromaro, tontosa ny alakamisy teo, tetsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, […]
« Heriko ianao » : Rakikira hanohizan’i Mam’Rakoto ny lalany
Eny, tao amin’ny tarika Njila izy… Fa pejy efa nivalona ela izany, ho an’i Mam’Rakoto. Efa an-taonany maro no nanoritra ny lalany eo amin’ny mozika Andrianjakamamy Rakotoarinia Benjamin, ary misongadina hatrany ireo sanganasany, na dia monina any Frantsa aza ity mpanakanto ity. Porofon’izany, hamoaka ny rakikira « Heriko ianao » i Mam’Rakoto. […]




