Fifaninanana tantara foronina 2024 : Nahazo ny laharana voalohany i Rija-Al-Jonah

Mpanoratra telo isaky ny sokajy nifaninanana no nivoaka mpandresy. Natolotra omaly ny lokan’ireo voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena «  Literatiora 2024 ».

Rijamamy Rakoton­dra­soa Joseph, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Rija-Al-Jonah. Izy no nandrombaka ny laharana voalohany teo amin’ny sokajy tantara foronina, tamin’ilay fifaninanana «Literatiora 2024». Ilay tantara «Mena mirahavavy» no nentin’ity mpanoratra efa fanta-daza mpikambana amin’ny Faribo­lana Sandratra ity nandresy lahatra ireo mpitsara ny fifaninanana. Notontosaina omaly ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpandresy tamin’ity fifaninanana ity. Nandritra ny lanonana nanokafana ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovan­tena tetsy Analakely izany, izay sady fanamarihana ny fa­nombohan’ny Iray volan’ny teny malagasy ihany koa.
Teo amin’ny sokajy ambo­aran-tononkalo, nisongadina tamin’ny maro i Lanto Raozy, na Rahariniaina Mamiharilan­to Léonie. « Adintsika iombonana » no lohatenin’ny sanganasan’ity mpanoratra avy any Ambositra ity. I Anakandria­ma­so, na Randriamarosolo Marcellin Yrris kosa no nahazo voalohany tamin’ny sokajy tantara an’onjampeo, tamin’ny alalan’ilay sanganasany, «Vo­katra isan-taona».
Notolorana loka lelavola 1 tapitrisa Ar i Anakandriamaso, raha toa ka nahazo loka fa­nontana ny boky 500 isa avy i Rija Al-Jonah sy i Lanto Raozy. Mbola nomena loka ihany koa ireo laharana faharoa sy fahatelo isan-tsokajy.
Tsiahivina fa fifaninanam-pirenena natomboka tamin’ny volana jona 2024 ka nifarana tamin’ny janoary 2025 izy ity. Ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nikarakara azy, sy nanolotra ny loka, omaly. Na­nodidina ny lohahevitra «Ady amin’ny fanolanana» sy «Fan­drindrana ny fiainam-pianakaviana» ireo sanganasan’ireo mpanoratra nalefa nifaninana.
Ankoatra ity lanonana fanomezana loka ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana ity, nisy koa ny seho maroloko, teo Analakely. Mifandray amin’ny tantaram-pirenena avokoa ireo sanganasa nasehon’ireo mpanakanto sy ireo mpianatra izay nandray anjara.

Zo ny Aina

Partager sur: