“Pao-droa”! Lasan’ny Akio Madagasikara avokoa ny amboaran’ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, ho an’ ny sokajy “cadet” sy “junior”, lehilahy. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alarobia hatramin’ny alahady lasa teo. Norombahin’ny ekipam-pirenena Akio “cadet”, ny anaram-boninahitra rehefa nandresy ny Nosy La Réunion, tamin’ny isa 40 no ho 30, nandritra ny lalao famaranana. Sambany teo amin’ny tantaran’ny handball vao nandresy ny ekipan’ny Nosy La Réunion ny Malagasy, teo amin’ ity sokajy zandriny ity. Afa-bela ny Akio satria efa lavon’izy ireo, tamin’ny isa 47 no ho 38, nandritra ny andro voalohany, fifanintsanana isam-bondrona.
Teo amin’ny sokajy “junior” indray, nazava ny fandresen’ny Malagasy rehefa nandavo ny ekipam-pirenen’i Mayotte, tamin’ny isa 44 no ho 30. Dingana manaraka ho an’ny Akio Madagasikara, izany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “IHF Trophy kaontinantaly”, hotontosaina atsy Togo, afaka efa-bolana.
Fitia Randria




