JJB-AJP Tour Cape Town : Nahazo medaly volamena 4 sy alimo 2 ny Malagasy

Namiratra indray ny Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-jitsu Breziliana tany Afrika Atsimo. Medaly 6 no norom­bahin’izy ireo.

Malagasy mpikatroka Jiu-jitsu Breziliana 4 mianadahy no niatrika ny fifaninanana “AJP Tour Cape Town Championship”, tany Afrika Atsimo. Tsy nitsanga-menatra ireo solontena malagasy fa namiratra. Medaly volamena 4 sy alimo 2 no norombahan’i Madagasi­kara. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 85kg, “brown belt” sy “absolute” Gi, no nahazoan-dRasamy Andy Anoharana ny medaly volamena 2. Marihina fa nisy ny ratra nahazo an’i Andy ka nanapa-kevitra ny Staff teknika tsy hampandray anjara azy tamin’ny No Gi. Teo amin’ny manasa-dalana “absolute” no naratra izy. Niambozona ny medaly volamena iray ihany koa i Enoka Mazas, teo amin’ny sokajy 30 kg “boy Gi”, ankizy. Torak’ izany koa ny zokiny, i Itiela Maza, teo amin’ny sokajy 57 kg “Girl Gi teen yellow”, izay nahazo ny medaly volamena. Nifaninana tamin’ny tsy sokajiny i Itiela noho ny tsy fisian’ny mpifanandrina teo amin’ny sokajy misy azy. Nahazo vokatra tsara ihany koa Rasamy Bryan Anoharana, teo amin’ny sokajy latsaky 69 kg, Gi sy No Gi, teo amin’ny “blue belt”. Sokajy latsaky ny 62 kg no tena misy an’i Bryan, saingy noho ny olana teo amin’ny mpifanandrina ihany koa dia nifaninana tamin’ny sokajy -69 kg izy. Medaly alimo 2 moa no azon’ity Malagasy mpikatroka ity teo amin’ny Gi sy No Gi. Mbola vao fanombohana ihany iny fifaninanana iny ho an’ny Malagasy mpikatroka jiujutsu. Iny mantsy no fifaninanana iraisam-pirenena voalohany natrehin’izy ireo tamin’ity taona ity ary mbola maro ny hoavy ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, izay hatao any Abu Dhabi, ny faramparan’ity taona 2026 ity. Tsiahivina fa higadona an-tanindrazana, rahampitso, ny delegasionina malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: