Minisitry ny Fitsarana : “Tsy ijerena fiaviana ny fampiharan-dalàna”

Nitondra fanazavana ny momba ireo raharaha eny amin’ny fitsarana sy ny fampidirana am-ponja mpanao politika ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. Nambarany, natao ho an’ny rehetra ny lalàna.

“Rehefa misy olona mandika lalàna, tsy mijery izay fiaviany ny fitsarana. Iharan’ny lalàna rehefa mandika izany. Efa zatra loatra isika hoe tsy ampiharina ny lalàna, fa mijery hoe aiza ny fiavian’ilay olona, inona ny antoko politikany, eo amin’ny fitondrana ve izy sa tsia… ?”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny mpanao gazety teny Ana­lakely, omaly, manoloana ny hoe manao valifaty politika ny fitsarana. Efa mifarana izay fijerena fiaviana izay. Ny fanjakana tan-dalàna ihany no ahazoana miala amin’ny fahantrana, ary miady amin’ny kolikoly sy ny fanamparam-pahefana. Misy olona niala teo amin’ny fitondrana, tsy manaiky hoe efa tapitra ny fitondran-dry za­reo fa efa noraisin’ny vahaoka an-tanana ny firenena. Hoha­vaozina ho fanjakana tan-dalàna i Madagasikara. Ao anatin’izay fampiharan-dalàna izay izao : iharan’ny lalàna izay rehetra tratra ao anatin’ny fandikan-dalàna.
“Milaza ny lalàna fa tsy afa-kanao fitarainana amin’ny HCC raha olon-tokana. In­drindra raha depiote iray, tsy maintsy mila ny roa ampahatelon’ny mpikamban’ny An­teni­mierampirenena. Izay vao azo raisina izany”. Io kosa ny nambarany momba ireo mpikambana efatra eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) enjehina ara-pitsarana. Mahagaga fa nisy tamin’ireo mpikamban’ny HCC nanaiky ny fangatahana tsy azo raisina sy tsy mitombina. Aminy, misy fandikan-dalàna sy ezaka hanakorontanana izany. Izay no mahatonga ny minisiteran’ny Fitsarana hanao fanadihadiana ireo mpikamban’ny HCC fantatra fa nandray anjara tamin’ny raharaha. Izay no nahatonga ny baiko fanenjehana sy ny tsy fahazoana mivoaka any ivelany, ahazoana manao fanadihadiana eto an-toerana.

R. Nd.

Partager sur: