Tantara « Ilay tena Reniko »: Nirotsa-dranomaso ny mpilalao

Tranga niavaka nandritra ny fanamarihana ny « Fetin’ny Reny » farany teo! Tantara « Ilay tena Reniko » nosoratan’i Namby Mivetso. Ny fizarana voalohany, nalefa ho an’ny mpihaino Radio tamin’iny herinandro iny. Tantara vaovao no­velomin’i Nirina, Ralala, Tapa­porohana, Antsaravaka, Nax Rabemanantsoa ary Harinala. «Ny ampahany tamin-dry zareo ireo, nirotsa-dranomaso mihitsy teo am-pamelomana ny tantara. Tsy isalasalana ny milaza fa mety maro ireo mpankafy mirotsa-dranomaso amin’ny fihainoana ity tantara mampihetsi-po loatra ity», hoy ny avy ao amin’ny Tapapo­rohana Production. Amin’ity herinandro ity kosa no handefasana ny fizarana faharoa.
«Ilay tena Reniko» maneho ny fahasahiranan’ny reny monina eny amoron-dalana. I Vony, renim-pianakaviana na­hatarafana ny tena fitiavan-dreny. Tratry ny tsy fahasalamana i Diamondra zanany. Naharihariny fa na mahantra sy tsy manan-kialofana aza izy. Afaka manaporofo ny fitiavany an-janany.
Nihevitra ny hambabo mora ny fon’izy mianaka tamin’ny fandraviravizana harena i Johary sy i Lalao… Kanefa tsy naharava ny fifankatiavana teo amin’i Vony sy i Diamon­dra izany.
Ao amin’ny maridrefy 95.4 FM, manerana ny Nosy sy ny Canal + 343 no hanarahana azy isan’andro amin’ny 12ora sy sasany. Isaky ny amin’ny 1 ora tolakandro kosa ny ao amin’ny RTS Toliara. Namba­ran’i Tapaporohana fa: «ny Habibo Group no manohana ny tantara an’onjampeo malagasy ka mendrika isaora­na ry zareo».

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: