«Voambolana malagasy maha sadaikatra : fady sa azo tenenina ?». Lohahevitra hovelabelarin’ Ny Mpanabe Tsara mandritra ny Famoloana Telozoro, izay hatao rahampitso amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokimpirenena Anosy io. Mahakasika ny teny malagasy disoana fanoratra anaty tambajotra kosa ny anjaran’i Ariela Fanoitra, poeta sy mpanoratra aorian’ izay.
Tratra ny tanjona ho an’i Rija Ramanantoanina. Goavambe ary sambany no nisy iny seho niarahany tamina orikesitra big band iny, ny alahady teo tetsy amin’ ny CCI Ivato. «Ny sanganasan’ny fiainana manontolo», araka ny namaritany azy tokoa, ary dia tena nanome ny kanto indrindra ireo mpanakanto am-polony maro nifarimbona nanatontosa izany. Narahina famoahana ny rakikira vaovao, izay nakana endrika ny seho izany.
Tontosa ny alahady teo, ny fanamarihana ny faha-25 taona nampidirana ny vohitr’Ambohimanga ho harembakoka iraisan’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’ny lanonana natao teo amin’ny kianja Fidasiana izany, izay nahitana hiragasy nataon’ny tropy Razafimahandry Sahavatobe, ny vakodrazana nataon’ny tropy Ravaky ny Ala ary ny seho mozika nentin-dRajery sy ny Feo Kanto. Notsiahivina nandritra izany ny maha zava-dehibe ny fananantsika ny vohitra misy ny Rova, mitahiry ampahany betsaka amin’ny tantaran’ i Madagasikara.




