Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana teo amin’ny sokajy N1B, ho an’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja basikety. Voahosotra ho tompondaka, tamin’izany, ny ASA, teo amin’ny sokajy vehivavy rehefa nandavo ny Lucadro, tamin’ny isa 62 no ho 52. Tetsy ankilany, ny ekipan’ny Fandrefiala kosa no nandrombaka ny fandresena, teo amin’ny sokajy lehilahy, nanoloana ny NBE, ka isa 86 no ho 78 no nisarahan’ny roa tonta. Nifandanja avokoa ny lalao na teo amin’ny sokajy lehilahy na ny sokajy vehivavy, satria tsy dia nifanalavitra ny isa. Mariky ny fiakaran’ny lentan’ny fifaninanana ihany koa izany. Ho an’ny fifaninanana amin’ny sokajy hafa kosa, eo anivon’ny ligin’Analamanga hatrany, hiditra amin’ny ampahefa-dalana, eny Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, eo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona sy 16 taona, lahy sy vavy. Mizotra araka ny tokony ho izy ihany koa ny fifaninanana Elites U23 izay hiditra amin’ny andro faha-9, ankehitriny.
Mi.Raz




