Lalao ara-pirahalahiana :  Resin’i Maroc tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Barea

Voahaja ny lojika! Tsy nahatohitra ny ekipan’ny Lion de l’Atlas Maroc ny Barean’i Madagasikara, omaly, tao amin’ny Kianjan’i Moulay Ab­dellah, Rabat Maroc. Nomo­ntsanin’ny ekipa nasionaly maraokanina, tamin’ny isa 4 no ho 0, ny Barea. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, nanindry tanteraka tamin’ny lafiny rehetra ny Maraokanina, na teo amin’ny fanafihana na teo amin’ny fitazomana baolina. Nosahiranin-dry Ismael Saibari, lohalaharana maraokanina, mihitsy ny vodilaharana malagasy teo amin’ny fidirana voalohany, ary izy no nampiditra an’ireo baolina roa ireo, ny fahefatra minitra nilalaovana sy ny faha-24 minitra. Io isa 2 no ho 0 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, mbola nitohy hatrany ny fampisehoana nataon’ny maraokanina. Teo amin’ny fidirana faharoa, mbola nanakobana ny harato indray ny Marao­kanina tamin’ny alalan’ny penalty, minitra faha-78 nodakain’i Rahimi. Mbola nanampian’i El Kaabi teo amin’ny minitra faha-87 Nahazo tsapa taorian’iny fihaonana iny avokoa izany ny mpilalaon’ny Barea. Tsikaritra ihany koa fa nisalotra ny akanjo manga ny ekipam-pirenena malagasy teny ambony kianja. Raha ny filazan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), io no fanamiana fahatelo ho an’ny ekipa nasionaly malagasy. Tsiahivina fa ny 8 jona ho avy izao, mbola hifandona amin’i Oganda indray ny ekipam-pirenena malagasy, any Maroc ihany.

Fitia Randria

Partager sur: