Nitondra anjara biriky maro tamin’ny fampivelarana sy fanomezan-kasina ny fanorona Rakotovao Fanomezantsoa Olivier, iray amin’ireo mpilalao fanorona sady mpikaroka momba ity lalaon-tsaina sady kolontsaina malagasy ity. Tao anatin’ny 42 taona no niseharany tao anatin’ity tontolon’
ny fanorona ity. Efa filoha lefitry ny Federasionina fanorona malagasy izy ny taona 2017 ka hatramin’ny taona 2021. Izy no nikaroka sy namorona ny mielatra telo tsy miserana. Ny Mielatra fito, ny fohy miserana roa tsentsina an-dakabe, raha ny nambaran’i Karana, mpilalao fanorona. Nampianatra vela olona maro ihany koa izy.
Ankoatra ny lalao fanorona, anisan’ny manana fitiavana ny zavamaneno valiha sy ny feony ihany koa ity andrarezin’ ny fanorona ity. Nandritra ny fitokanana ny Kianjan’ny fanorona, eny Anjohy, no nangatahiny manokana ny hitendrena mivantana ny feon-kira « Ombimanga voatora-defona », sanganasan’i Maurice Halison.
Mirary fiononana feno sy mankahery ny fianakaviana manontolo ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto




