Padel : Mpanao gazety 9 nahazo fiofanana

Tsy mijanona ho mpitatitra sy mpampita vaovao fotsiny ny mpanao gazety fa miditra an-tsehatra amin’ny taranja samihafa koa. Taorian’ny tsipy kanetibe, niditra tamin’ny Padel indray izy ireo, ka nandranto fahalalana mahakasika izany ary nanao fampiharana tamin’ny alalan’ny fifaninanana teo amin’ireo samy mpiofana.

Mitohy hatrany ny hetsika fanomezana fahalalana ny mpanao gazety mikirakira ny fanatanjahantena. Ny sabotsy lasa teo, notanterahina teny amin’ny Kianja Urban Futsal , ny fampiofanana ny taranja Padel ho azy ireo. Fiaraha-miasa eo amin’ny Union des journalistes sportifs de Madagascar (UJSM) sy ny MPP Tour izy io. Sivy mianadahy ireo nisitraka izany ka ny roa vehivavy. Naharitra ora telo ny fiofanana.
Niainga tany amin’ny fototra ka nipaka hatrany amin’ny fiatrehana fifaninanana ny zavatra norantovina. Taorian’­ ny fampahafantarana tsotsotra ny Padel, niditra avy hatrany tamin’ny fampiharana ny mpiofana. Nozaraina tamin’ny kianja roa ireo mpanao gazety ka samy nanana mpampiofana iray avy. Nisantarana izany ny fanafanan-tena. Avy eo, natoro azy ireo ny fomba fitazomana ny raketra, ny fihetsiky ny tongotra sy ny tanana ary ny vatana. Nampianarina koa ireo fomba fikapohana baolina tamin’ny fomba roa, ny “coup droit” sy ny “revers”.
Teo koa ny kapoka mivantana sy ny antsoina hoe “smash” na fivelesana ny baolina amin’ny kapoka mandrivorivo. Tsy hadino ny “service”, fanombohan-dalao. Namara­nana ireo teknika fototra ireo ny lalao nifanandrinan’ny samy mpiofana. “Nahafinaritra ilay izy. Mora ianarana fa mitaky tanjaka satria mivezivezy be eo ambony kianja. Mila fifantohana satria lalaon’olon-droa. Mangataka ny hitohizany fa tsy ity fotsiny”, hoy i Miarimbola Vahatra.
Nisaotra ny solombavambahoaka Rakotoaritiana Nava­lona Francky nanome fanamiana ho an’ireo mpanao gazety ny filohan’ny UJSM, Rabenaivo Alain, izay nanambara fa mila mahalala ny zava-misy eny ambony kianja ny mpanao gazety fa tsy mitatitra fotsiny.

Tompondaka

Partager sur: