Rar Project: Pi-maso ho an’ny mpankafy « rock alternatif »

Mpanakanto maromaro atambatry ny fitiavana ny “rock alternatif” etsy andaniny. Mitovy tanjona koa, etsy an­kilany, izy ireo. Nivondrona anatin’ny Rar Project mba hizara sy hivoy izany, toy izay hitranga ny zoma 5 jona izao, eny amin’ny Madagascar Underground Antsahavola, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Tsy fampisehoana tsotra fotsiny fa mandeha amina lohahevitra izy ity. Efa nisy ny « Raise the dead », nanomezan’izy ireo voninahitra ireo mpanakanto efa nodimandry, nametraka be teo amin’izay rock alternatif izay. « Love and pain » indray kosa ny amin’ny zoma izao, hanehoan’ny Rar Project fa misy fijaliana koa vao misy fitiavana.
Hira maromaro no notsongaina, tsy mivaona amin’izay lohahevitra izay. Misy amin’ ireo no nindramina tamin’ireo vahiny mpanakanto ankafizin’ ireo mpikambana. Misy kosa sanganasan’ireto mpanakanto ireto ihany.
Tsiahivina fa mpanakanto iray fijery sy iray lalana eo amin’ny mozika eo amin’ny 10 eo izao no mandrafitra ny Rar Project : Jia Johary, Naday, Hoffman, Ash, Ampelagie, Manga, Iri, Juju art Andry. Samy tsy misy vaovao eo amin’ ny tontolon’ny mozika avokoa izy ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: