Niforona ny taona 1986 ny tarika Kiaka. Maro ny dingana nolalovana, niainga tamin’ny tsy nisy, saingy anisan’ny tarika sangany ankafizin’ny maro nandritra izay 40 taona izay.
Nosantarina tamin’ny andron’ny faran’ny taona 2025 hiditra ny 2026, ny fankalazana ny faha-40 taon’ny tarika Kiaka. Miditra ao anatin’ny ivon’ny fankalazana izy ireo, ankehitriny, izay hotontosaina ny alahady 7 jona 2026 ho avy izao, ao amin’ny Palais des Sports Mahamasina.
Miangaly ny gadona rock sy metaly ny tarika Kiaka, saingy nomarihin’i Nini, mpihira, fa « ny tena marina, ny mozikan’ny Kiaka no tena voizinay ». Mikarakara ny hetsika ny LaMozika, ary mpanohana ofisialy ny Airtel Money, izay tsy mitsahatra manasongadina ny mpanakanto malagasy. Hanomboka amin’ny 2 ora sy « 40 » minitra ny fotoana, ary hira 40 + 1 = 41 no hatolotra ny mpankafy. « Hataonay 41 ny hira satria mba mihoatra ny 40 indray ny fahaveloman’ny Kiaka », hoy i Johnny, anisan’ ny namorona ny tarika, niaraka tamin’i Joce. Ho hita ao avokoa ny hira namantarana azy ireo toa ny « Atolotro anao », « Rockn’Roll namako», « Ilay mahantra », « Lasa », « Afrika Atsimo », « Soavaly metaly », sns. Nasongadin’i Nini fa
« mampiavaka ny Kiaka, mpamorona, mpandrindra, mpitendry avokoa ny mpikambana ao aminay. Ankoatra izany, efa mampita ny fanilo any amin’ireo zandry zanaka aty aoriana ihany koa ny tarika, ka anisan’izany ny mpitendry gitara maranitra (soliste) iray, izay mbola tena ao anatin’ny fahatanorana tokoa, manotrona an’i Deba sy Johnny (samy mpitendry gitara) ary eo koa i Joce (gitara beso), Daddy (clavier) ary Jojo (amponga maro anaka) ».
Fantatry ny rehetra
Tena zava-dehibe ho an’ ny tarika ny fahafantaran’ny olon-drehetra azy ireo. Izany no anisan’ny nankasitrahan’ny minisiteran’ny Kolontsaina azy ireo, fony fitondrana Revolisionera, nanolorana ny « Officiers des arts et des Lettres » azy ireo. Teo koa ny « Chevaliers de l’ordre national » tamin’ny taona 2017.
Zix




