Miezaka mamerina ny hasin’ny tantara an-tsary, ankehitriny, Andriamirija Jary. Ho fanatrarany izany tanjony izany, natsangany ny Hay – sary, hirosoany amin’ny tontolon’ny matihanina. Efa maro ireo boky navoaka anehoany ny sanganasany, toy ny “Fanaiky”, “Melisy”, “Maditra”, “Inspecteur Dadilo”, “Vipera”, “Rohy”, “Romantika Gasy”. Miezaka hamoha sy hamerina indray ny lanja sy ny hasin’ny tantara an-tsary malagasy ny tovolahy. Maro amin’ ireo tantara avoakany no mifono anatra sy mampita lesona ary misarika ny tanora hahay mamindra eo amin’ny famakivakiana ny fiainana. “Anjara biriky kely ataonay ho fanampiana ny fitaizana ireo tanora amin’izao fotoana izao izany”, hoy Andriamirija Jary. Tsara ny mampahafantatra fa mpihira ao amin’ny Tarika 3 isan-jato, sady mpamoron-kira sy mpamorona dihy ary mpamorona akanjo i Jary, ankoatra ny maha mpanao sary azy.
Fitia Randria




