Manao fitsidihana ofisialy any Jakarta, Indonesia, ny 3-4 jona, ny delegasionina malagasy tarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice. Fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta no antony, ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika. Andrasana, araka izany, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa maromaro amina sehatra vaovao ho amin’ny tombontsoa iombonana.
“Ny Fitsarana tampony, miatrika ny fanambin’ny niomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy” no lohahevitry ny fihaonambe fankalazana ny faha-65 taonan’ny fitsarana tampony, teny Anosy, afakomaly, niarahana tamin’ny Vaomiera malagasy misahana ny informatika sy ny fahalalahana (CMIL). Nodinihina ny ahazoan’ny teknolojia sy ny faharanitan-tsaina artifisialy manampy ny asam-pitsarana, ny fampiharana ny teknolojia…
Tanterahina ao anatin’ny tetikasa Mionjo, Faritra Anosy, ny 1-24 jona ny diabe iraisan’ny iraky ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Ho an’ny faritra telo ny tetikasa Mionjo: Androy, Atsimo Andrefana, Anosy. Tanjona ny ho fanamafisana ny fikirakirana sy ny fitantanana ireo antontanisa amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana niomerika mba hananana antontam-baovao hiangana ho fampandrosoana eny ifotony.




