“Mitaona ny Praiminisitra izahay handray fepetra ho fanoloana ny tomponandraikitra voatendry rehetra izay tsy mahomby sy tsy mahavita ny andraikiny ary hanasazy ireo izay mbola manao kolikoly sy mangalatra ny harem-pirenena eo am-panatanterahana ny asany”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nanomboka ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly. Miandry sy manantena vokatra azo tsapain-tanana ary misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro ato anatin’ ny fotoana fohy ny vahoaka malagasy. Satria, efa ela nijaliana sy niaretana ny tsy rariny. Hita fa betsaka ireo tomponandraikitra no tsy mahomby fa tsy mahavita mampiasa ny volam-panjakana hifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Mbola be koa ny kolikoly sy ny fangalarana volam-bahoaka ary ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena hita tamin’ ireo tomponandraikitra maro samihafa.
“Melohinay tanteraka ireo fihetsika atao hitarika korontana sy sakana ho amin’ny fanavaozana eto Madagasikara, na avy aiza na avy amin’ iza izany”, hoy ihany izy. Anisan’izany ireo fikasana hifofo ny ain’ny filohan’ny Fanavaozana sy ireo fanelingelenana ary vaovao tsy marina hanakorontanana ny saim-bahoaka. Miantso ny tomponandraikitra rehetra izy handray ny andraikitra tandrify azy ireo amin’ny fanenjehana sy fanasaziana ireo fahavalom-pirenena mamboly korontana eto Madagasikara. Mitaona ny vahoaka malagasy tia tanindrazana rehetra koa ho mailo hatrany.
Hifantoka amin’ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2027 izao fivoriana ara-potoana faharoa izao, izay haharitra 60 andro. Eo koa ireo volavolan-dalàna hoe “vary mangatsiaka”.
R. Nd.





