Tahaka ny faritra rehetra eto Madagasikara, manana ireo kolontsaina mampiavaka azy ny eto Imerina. Atahorana ny ho simba na ho very sy ho levona tanteraka ao anatin’ny fotoana vitsy, anefa, izany…
Hira, dihy, firafitry ny trano, fomba isan-karazany… Manana ny mampiavaka azy ny eto Imerina. Mandalo fotoan-tsarotra anefa izany. Tsy nampitaina tamin’ireo taranaka ny maha izy azy, hany ka tsy misy lanjany sy hasina aminy.
Raha ny nambaran’ny manam-pahaizana momba ny fivoaran’ny sain’ny olombelona: «noho ny fananan’Imerina ireo karazan-dihy maro mampihetsika ny loha sy ny soroka no mahatonga ireo olona avy ao amin’io faritra io ho tia mampiasa saina». Vitsy dia vitsy anefa no mahatahiry ireny karazan-dihy ireny, ankehitriny.
Ny hira fanao eto Imerina manome lanja ny tonony izay teraka avy any anaty fanahy. Anisan’ireny ny «Madihiza Rahitsikitsika», «Fony ianao mbola kely», «Diavolana fenomana takariva», «I Manga no nantsoina» … Tahaka izany ihany koa ny feon-kira nentina nandihy toy ny «Dihin’ny Ntaolo», «Afindrafindrao», sns. Tsy nandrenesana hira tsy misy fototra mazava i Imerina, raha ny fanadihadiana nataon’ireo manam-pahaizana momba ny fivoaran’ny hira.
Isody (akaikin’Ankaratra), Fiadanana (Alakamisy Fenoarivo no mianandrefana), Mandiavato (Miarinarivo Itasy)… Ny fitetezana ireny faritra eto Imerina ireny no nahitana fa tsy mihira intsony ny zatovolahin’ Imerina rehefa miandry omby fa mihaino hira. Mampiasa «radio carte» (araka ny fiantsoan-dry zareo azy) ny mpiandry omby. Maro be ny very vokatr’izany. Anisany ny fahafantarana ny momba ny omby sy ny tontolony. Ny hira nasolo ireo hira fiandrasana omby , anefa, tsy mitondra zavatra tsara (faharanitan-tsaina, fanahy sy hasina mivelatra…) fa vao mainka mampirefarefa amin’ny tany.
… Iray amin’ireo fomba hoenti-mamerina ny kolontsaina sy fomba amam-panaon’ Imerina mba tsy ho rendrika anaty fotaka mandrevo, ny fanabeazana ny taranaka mba hahalala sy ho saro-piaro amin’ny azy.
HaRy Razafindrakoto




