Nahaliana ny mpianatra sy ireo mpandala ny teny malagasy ny « Takalo am-pamoloana » notontosaina tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena, omaly. « Ny voambolana malagasy mahasadaikatra : fady sa azo tenenina ? » no novoaboasan’ Ny Mpanabe Tsara. Lohahevitra tsara safidy, satria efa ela no nanitikitika ny rehetra ny fampiasana ny teny malagasy tena izy, kanefa voalaza fa teny ratsy. « Ny teny malagasy disoina fanoratra anaty tambajotra » kosa no nentin’i Ariel Fanoitra, izay poeta sy mpandala ny teny malagasy.
Vao vita ilay seho goavambe, ny alahady lasa teo, dia efa manomana ny manaraka sahady i Rija Ramanantoanina. Misy ny «cabaret » hataony amin’ity faran’ny herinandro ity, fa anisan’ny fotoan-dehibe handraisany anjara koa ny fampisehoana ara-pilazantsara ao Antsahamanitra, ny alahady 14 jona ho avy izao. Hifampizara sehatra amin’ny tarika Miantefa sy Jaw’s Band izy mandritra izany. Ny FJKM Ambohibe Ilafy Fitahiana no mikarakara ny seho.
Any Paris ny tale jeneralin’ny Omda, Hajara Ranjarivo amin’izao fotoana. Anisan’ireo nasaina handray anjara amin’ny Fivoriamben’ny komity afrikanina misahana ny zon’ny mpamorona sy ny mpamokatra, na ny Confédération internationale des sociétés d’auteurs et compositeurs » izy. Heverina fa hitondra vokatra lehibe ho an’ny fanatsarana ny Omda sy ny tontolon’ny fisitrahana ny zon’ny mpamorona eto Madagasikara izany, satria hisy ny fizarana traikefa mandritra ny fotoana.




