“Toy ny misy fikatsoana ny dingana amin’ny fikaonandoham-pirenena. Ny antony, ny fahitanay azy: misy zavatra tsy ifanarahana ao. Eo amin’ny fitondram-panjakana, indrindra ny minisitera miandraikitra ny Fanavaozana sy ny FFKM”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionaly vonjimaika sady sekretera jeneralin’ny antoko UNDD, i Manoro Régis, manoloana ny fanatanterahana fikaonandoham-pirenena. Matoky sy manohana tanteraka ny FFKM amin’ny hitarihany sy hitantanany ny fikaonandoham-pirenena hitondra any amin’ny Repoblika V eto Madagasikara ny antoko UNDD. Manana traikefa amin’ny fitarihana fikaonandoha goavana toy izao ny FFKM. Izy no manana fomba fijery sy fitarihana ary fitantanana tsy mitanila indrindra amin’ny raharaha goavana sy saro-pady toy izao fikaonandoham-pirenena izao. Izy no tokony hitondra azy fa tsy ny fanjakana, atahorana mety hitongilana. Efa manana traikefa ny FFKM, maro mpanaraka, eken’ny ankamaroan’ny olona.
Zava-dehibe sy saro-pady ny fikaonandoham-pirenena. Antoka sy hiankinan’ny tena fanavaozana ny rafitra hitantanana ny firenena. Mba hisian’ny fitsinjarana ara-drariny ny fahefana ara-politika sy ara-panjakana, ara-toekarena sy ara-tsosialy, ara-koltoraly eto amin’ny firenena. Antoka sy hiankinan’ny fahazoana fotoana mametraka sy manamafy orina ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara, hananana lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana eken’ny maro an’isa eto amin’ny firenena izany. Antoka sy hiankinan’ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary haneken’ny rehetra ny valiny ihany koa sy hiankinan’ny filaminana sy fitoniana maharitra antoky ny fampandrosoana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Hialana amin’ny krizy miverimberina manapotika ny firenena.
R. Nd.




