Madagasikara – Indonesia : Fifanekem-piaraha-miasa roa no vita sonia

Miroso amin’ny fiaraha-miombon’antoka lalina kokoa i Madagasikara sy i Indonesia amin’izao. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly, fifanekem-piaraha-miasa roa no vita sonia. Nan­dritra ny fitsidihana ofisialy no nandraisan’ny minisitra misahana ny Raharaham-bahiny indoneziana, i Sugiono, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice, tao Jakarta renivohitra, afakomaly. Eo àry ny fametrahana ny komity iraisana momba ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Manaraka, ny tsy fandoavana “visa” ho an’ireo manana pasipaoro diplomatika sy pasi­paoro fanantontosana asa na iraka. Hanamorana sy hanafainganana ny fifampiraha­rahana ofisialy izany. Zava-dehibe ny fihaonana fa mifanandrify amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Firahalahiana nandritra ny 50 taona izay mitodika amin’ny hoavy. Porofo mivaingana amin’ny fahatsaran’izany ny fifanekem-piaraha-miasa vita sonia.
Ankoatra izay, hirosoana ny sehatry ny toekarena sy ny fampiasam-bola. Nifanaiky ny roa tonta hanamafy ny sehatra fampiasam-bola sy ny fizarana traikefa amin’ny sehatra fampandrosoana izay mika­roka hatrany ny tombontsoa iombonana. Anisan’izany, ohatra, ny fambolena sy fiompiana ary ny fanodinam-bokatra, ny jono sy toekarena manga, ny angovo azo havaozina, ny harena ankibon’ny tany sy ny tontolo iainana… Farany, nanoloana ireo mpanao gazety iraisam-pirenena: niray feo ny minisitra roa tonta nanamafy ny fahavononan’izy ireo hanangana fiaraha-miasa maharitra, mitsinjo ny tombontsoan’i Madagasikara sy Indonezia miaraka.

R. Nd.

Partager sur: