Teny anglisy : Hirosoana ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana

Taranja tian’ny ankizy ny teny anglisy. Maro ireo misafidy izany taranja izany eny amin’ny Lycée. Hirosoana ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana teny anglisy iarahana amin’ny amerikanina.

Niresaka momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampianarana teny anglisy, omaly, ny minisitry ny Fana­bea­zam-pirenena, Rajao­na­rison Sendra Nirina sy ny mpanolotsaina momba ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho amerikanina, Craig Ferguson. Teo koa ireo solontena avy amin’ny fikambanan’ny mpampianatra teny anglisy (Elta).
Tohin’ny fiaraha-miasa ta­min’ny minisiteran’ny Fanabe­a­zam-pirenena, efa nanomboka ny taona 2018 izany. Miroso amin’ny dingana miva­ingana manaraka ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana teny anglisy ho an’ny Lycée manerana an’i Madagasikara ny fiaraha-miasa. Iarahana amin’ireo manam-pahaizana amerikanina momba ny fampianarana teny anglisy, toy ny English Language Specialist sy English Language Fellow izany.
Amin’ity volana jona ity, hikarakara fihaonambe mom­ba ny fampianarana teny anglisy izay tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina, amin’ny alalan’ny biraom-paritra momba ny teny (Relo), ny masoivoho amerikanina.
Santatra am-bavarano iha­ny izany satria mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta hanitarana ny tetikasa fampiroboroboana ny fampianarana ity teny ity manerana an’i Madagasikara.
Fanohanana ny Malagasy, mpianatra sy ny mpampianatra, amin’ny fifehezana ny teny anglisy izay manokatra varavarana amina sehatrasa sy fanohizana fianarana ivelan’i Madagasikara izao fifanohanana izao.
Manan-jara ny mpianatra eny amin’ireo Lycée hiantseharan’ny tetikasa amerikanina amin’ny fampianarana izany. Manana traikefa miavaka raha­teo ireo mpampianatra voaofana manokana anatin’ny tetikasa. Miavaka ireo mpianatra mivoaka avy amin’ireny Lycée ireny ary mora aminy ny fanohizana ny fianarana, aorian’izany.

Tatiana A

Partager sur: