Nanolotra fitaovana manaraka ny teknolojia niomerika ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny amerikanina. Hanohanana ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony amin’ny fanangonana, fampidirana ary fampitana ireo antontan-kevitra ara-pahasalamana izany. Hanamora sy hanafaingana sady hanatsara ny fahamarinan’ny antontan-kevitra sy hampihena ny mety hisian’ny fahadisoana ihany koa
Raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro, mihamaina ny andro, ho an’ny afovoantany sy ny ilany andrefan’ny Nosy, manomboka anio. Tsy ho marin-toerana kosa indraindray ny habaka any amin’ny ilany atsimo atsinanana sy ny avaratra atsinanana ka hisitraka orana tandrifindrahona. Foana ny fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana.
Taorian’ny orambe nilatsaka, nidina an-tsehatra teny Ambohijatovo Ambony ny ekipa teknika avy ao amin’ny boriborintany I. Nanao asa fanesorana fasika sy fotaka ary fanadiovana ny arabe izay feno fotaka sy vato izy ireo.





