Fampivelarana ny sain’ny ankizy : Efa manana paikady nasionaly i Madagasikara

Nandrafitra paikady nasionaly ho an’ny fampivelarana ny sain’ny zaza madinika (SNDPE) i Madagasikara. Nampa­hafantarina teny Alarobia, tamin’ity herinandro ity, io ton­drozotra hiantoka ny hoavy tsara kokoa ho an’ny kilonga, miainga any amin’ny fahazazana io. Ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana MICS 2025 milaza fa 46,7% amin’ny zaza 24 hatramin’ny 59 volana ihany no nahatarafana fivelarana manaraka ny fenitra teo amin’ny fahasa­lamana, fianarana ary fivoaran’ny saina. Novolavolaina ho rafitra nasionaly hanovozan-kevitra handrindrana ireo asa mifandraika amin’ny fampivelarana ny sain’ny zaza madinika io SNDPE io.
Marolafy ny sehatra voakasika, ny fahasalamana, ny fanjarian-tsaakfo, ny fiarovana ny ankizy, ny fanokafana ny vavahadin-tsain’ny zaza…Tanjona ny hanatsarana ireo fandaharanasa sy tolotra efa misy miaro ny fampivelarana ny sain’ny zaza madinika.
Ilaina ny fiaraha-mientan’ny fanjakana sy ny mpiray ombon’antoka ary ny rehetra amin’ny fanatanterahana ity paikady ity. “Zava-dehibe ny fandrindrana ny asa sy ny fametrahana ny vola ilaina hanatontosana izany, miaraka amin’ny mpanohana”, hoy ny solontena lefitra mpisolo toeran’ny Unicef, Giuliana Serra.

Vonjy

Partager sur: