Fampianarana ambony : Mahaliana ny tanora ny oniversite ao Maorisy

Mitohy anio sy rahampitso ny hetsika etsy amin’ny Kianja Barea, fampahafantarana ireo oniversite sangany any amin’ ny Nosy Maorisy. Tonga maro ny tanora, omaly, na dia teo aza ny orana, tena liana handranto fianarana any ivelany. Toraka izany koa ireo ray aman-dreny, miezaka mafy hahatafita ny zanany, hisitraka izany diplaoma iraisam-pirenena izany.
Manodidina ny 20 ireo oniversite ao Maorisy aranty eto Madagasikara. Ireo mpitan­tana ny sekoly mihitsy no tonga mampahafantatra ireo lalam-piofanana ao aminy. Mifan­dray amin’i Azia sy Eoropa i Maorisy ary misokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Manan-danja, araka izany, ny diplaoma avoakan’ireo oniversite ireo. Firenena mahe­rin’ny 50 no mankatoa ny diplaoma mivoaka avy ao, miaraka amin’ny fotodrafitrasa maoderina mifanaraka amin’ny lentan’ny fampianarana.
Tonga eto Madagasikara mihitsy ny avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana am­bony ao Maorisy, i Kaviraj Sharma Sukon, manaporofo ny fahamatoran’ny hetsika entin’izy ireo.
Ireo oniversite lehibe any Londres sy Dubaï koa tonga ao Maorisy, midika izany fa zava-dehibe ny kalitaon’ny fampianarana.
Mifanaraka amin’ny filan’ ny orinasa ihany koa ny fianarana rantovina any an-toe­rana. Misitraka fizaranasa sahady ireo mpianatra amin’ izany. Manome 20 ora ahafahan’ny mpianatra miasa ny fanjakana, hahazoana karama 400 dolara. Tsy mila Visa ny mandranto fianarana any amin’ity firenena ity.

 

Tatiana A

Partager sur: