Havàtsa-Upem – Volan’ny teny malagasy : Hanomboka anio ny Atrikasa 2026 fanoratana

Iray amin’ireo hetsika mampiavaka ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem ny fanatanterahana atrikasa mifanaraka amin’ny vanim-potoana. Ao anatin’izao «Iray volana anandratana ny teny malagasy» izao, hanatontosa ny «Atrikasa 2026 fanoratana» ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikoloana ny teny malagasy ity. Hiompana amin’ny famakafakana asa soratra (Essai littéraire) izany. Hanomboka anio, amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny foiben-toeran’ny Havàtsa-Upem (Tahala Rarihasina) Anala­kely. Andrianasolo Hajaina Naomy no hanazava sy hamelabelatra ny «Fanoratana famakafakana poezia». Manampy amin’ny fifehezana sy mampitombo ny fikarohana ary indrindra ny fitiavana ny teny malagasy ny atrikasa tahaka izao. Mahazo tombony manokana ny mpianatra, satria, tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny famakafakana asa soratra.
Marihina fa hiova isaky ny sabotsy ny lohahevitra. Ny 13 jona, «Fanoratana famakafakana tantaram-pirenena», hiarahana amin’ny Ranjatohery Harilala.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: