“Tsy atao ho zavatra mandalo fotsiny izany fanadiovana sy fahadiovana izany, izay fototry ny fahasalamam-bahoaka aharitra ka tsy maintsy mametraka fahadiovana sy fanadiovana tanàna maharitra ho an’ny vahoaka ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, nandritra ny fidinany ifotony efa ho tapa-bolana tsy an-kiato izay. Efa nataony nitarika ny mpiasan’ny kominina sy ireo tale sy lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny kaominina, nidina ifotony namafa lalana isaky ny alarobia maraina. Efa niatomboka ihany ny fanadiovana ireo fako mivagongo ambanin’ireny tetezana sy lakandranon’i Pangalanina ireny, izay mamakivaky ny renivohitr’i Toamasina. Mitohy amin’ny firosoana fanamboaran-dalam-pasika mampitohy fokontany atao rarivato izany rehetra izany. Vokany, ny alakamisy 04 jona maraina teo dia anjaran’ny ny tsenan’ny Tsarakofafa indray no notsidihan’ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain. Nohamafisiny hatrany fa tanjona ny ho tanàna madio maha te ho tia i Toamasina ka anisan’ny miantoka ny fahadiovana ny tsena, hoy hatrany izy.
Sajo




