CCIMM : Hampahafantatra ny oniversite any Maorisy

Maro ireo ray aman-dreny maniry ny hampianatra ny zanany any ivelan’i Madagasikara. Toraka izany koa ireo tanora mikatsaka lalana fatratra ary te hahazo vatsim-pianarana mba hisitraka fianarana any ivelany. Anisan’ny ifandrombahana amin’izao fotoana ny hanohy fianarana atsy amin’ny Nosy Maorisy. Hisy rahateo ny hetsika fampahafantarana ireo oniversite matanjaka sy mamoaka mpianatra sangany any amin’ity firenena ity.
Hotanterahina ny 30, 31 oktobra ary mitohy ny voalohan’ny volana novambra ny fampahafantarana izany, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, karakarain’ny Chambre de commerce et d’industrie Maurice –Madagascar (CCIMM). Manodidina ny 20 ireo oniversite lehibe sy efa manana ny toerany hampahafantatra ny lalam-piofanana ao aminy sy ny antsipirian’ireo tsara ho fantatra.
Anisan’ny tena mahaliana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny fomba atao sy ny antontan-taratasy ilaina, indrindra ny saram-pianarana, hahafahana mianatra any Maorisy. Toraka izany koa ny vola mila omanina sy ny fandaniana rehetra, ny amin’ny trano ipetrahana any sy ny filana fototra mandritra ny famitana ny fianarana.
Noho ny antony maro sy ny tsy fahitana asa aorian’ny fianarana eto Madagasikara, mitady ny fomba rehetra ivoahana any ivelany hakana diplaoma iraisam-pirenena, ny mpianatra.

Tatiana A

Partager sur: