Sehatra niomerika « Mpianatra » : Hanatsarana ny fitantanana ny sekoly eto Madagasikara 

Vahaolana vaovao ! Mba ha­namorana ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny mpianatra ary hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny sekoly sy ny ray aman-dreny, novolavolaina ny sehatra niomerika “Mpianatra”. Raha ny fanazavana voaray, omaly, sanganasan’ny Studio MG izy ity, natao hanavaozana ny fitantanana ny sekoly eto Madaga­sikara.
Marihina fa mifanaraka amin’ny filan’ny sekoly amin’ny ambaratonga rehetra sy ny ivontoeram-piofanana ity se­hatra niomerika ity.
Ahitana sokajy efatra samy manana ny andraikiny izany. Misy ny ho an’ny mpitantana, ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny ary ny mpianatra. Amin’ny alalan’ity sehatra ity no ahafahan’ireo tomponandraikitra mitantana ny mombamomba ny mpianatra, ny tsy fahatongavana ary ny fandoavam-bola.
Ny mpampianatra kosa, afaka mamoaka lesona sy entimody, manara-maso ny mpianatra ary mampiditra ny naoty. Ho an’ny ray aman-dreny, ao izy ireo no mijery ny fandaharam-potoana, ny vokatra ara-pianarana ary ny vaovao mom­ba ny fandoavam-bola. Ny mpi­anatra indray, afaka mijery ny lesona, manao entimody amin’ ny internet ary manara-maso ny vokatra azony.
Ankoatra izany, ahitana tranonkala manokana ho an’ ny toeram-pianarana tsirairay ihany koa. Afaka mampahafantatra ny mombamomba, ny fandaharam-pianarana ary ny hetsika karakarainy amin’ny ala­lan’izany ny sekoly tsirairay avy.

Fitia Randria

Partager sur: