Iray amin’ireo hetsika lehibe manamarika ny « Iray volan’ny teny malagasy » ny « Hadimiana Sandratra » nosokafana, omaly. Fotoana anomezan-kasina ny kolontsaina malagasy raha ny fandaharam-potoana sy ny hetsika hotanterahina.
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana sy fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », nosokafana, omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy (efitrano Dox), ilay hetsika « Hadimiana Sandratra », iarahana amin’ny Faribolana Sandratra. « Fiantsana, ny teny no hasinina. Famoahana boky, ny soratra no omen-kasina. Fampiakarana sy fanomezan-kasina ny kolontsaina malagasy ary indrindra fanandratana ny zavakanto malagasy vita amin’ny teny ny hetsika tahaka izao. Antsika rehetra ny teny malagasy. Hafatra apetrak’i Ranoë : “Iainako ny teniko hanamasina ny taniko », hoy i Ranoë, nisolo tena ny « mpiraifaribolana ». Ankoatra ny fiantsana sy ny famoahana boky, anisan’ny fandaharam-potoan’ny « Hadimiana Sandratra » koa ny atrikasa, velakevitra, fampisehoana an-tsehatra miaraka amin-dRalanto, Lasin’ainga, sns.
Fandaharam-potoana, anio, ny atrikasa filalaovana tantara an’onjampeo, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Amin’ny 1 ora tolakandro, antsa malalaka ho an’ny rehetra ary amin’ny 2 ora sy sasany ny velakevitra: « Ny asasoratra Sandratra miako amin’ny fandaharam-pianarana ».
Tetikasa lehibe hotanterahin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina
Anisan’ny nisongadina tamin’ity fotoam-panokafana ity ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gasikara Fenosoa. Hisy ny ivontoerana hifaneraseran’ny mpanoratra, hifanakalozany traikefa sy hiofanany, hoy ny minisitra. Anisan’ny tanjona ny hanana io toerana io, raha ny nambarany hatrany. Amin’ny alalan’ny Tranombokim-pirenena no hametrahana izany, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka. Ho fametrahana ny politika nasionaly ho an’ny kolontsaina, hisy ny famoahana ny karatra maha matihanina ho an’ireo misehatra amin’io tontolo io. Hahafahana mitady lalam-barotra sy hivelarana amin’ny sehatra iraisam-pirenena no anton’izany. Tohizina hatrany ny fampiroboroboana ny teny malagasy eo amin’ny sehatry ny raharaham-panjakana (taratasy, didy aman-dalàna, sns).
HaRy Razafindrakoto




